Titus 3

1Ampaherezo izy ireo hanaiky ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana, hankatoa azy ireo, ho vonona amin’ny asa tsara rehetra. 2Ampatsiahivo izy ireo tsy haneso na iza na iza, hiala amin’ny adihevitra, hamela ny hafa hanaraka ny lalany, ary hampiseho fanetren-tena amin’ny olona rehetra.

3Fa teo aloha ny tenantsika dia tsy nanan-tsaina ary tsy nankàtoa. Voatarika tamin’ny lalan-diso isika ary nandevozin’ny filàna sy ny fahafinaretana samihafa. Niaina tao amin’ny faharatsiana sy ny fialonana isika. Nankahalaina izahay ary nifankahala isika.

4Fa rehefa niseho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona, 5dia tsy tamin’ny asan’ny fahamarinana nataontsika izany, fa tamin’ny famindram-pony no namonjeny antsika. Izy dia namonjy antsika tamin’ny alalan’ny fanadiovan’ny fahateraham-baovao sy ny fanavaozana tamin’ny Fanahy Masina.

6Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 7Nataony izany mba, ho voamarina tamin’ny fahasoavana, dia ho tonga mpandova isika amin’ny alalan’ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay.

8Izany hafatra izany dia mendri-pitokisana. Tiako hilaza momba izany zavatra izany am-pahatokisana ianareo, mba ireo izay mahatoky an’Andriamanitra dia hikasa hanao ireo asa tsara izay efa napetrany teo alohan’izy ireo. Izany zavatra izany dia sady tsara no mahasoa ho an’ny olona rehetra.

9Fa ialao ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanana ary ny fifandiranana sy ny ady momban’ny lalàna. Ireo zavatra ireo dia zava-poana sy tsy mahasoa. 10Mandà izay olona rehetra miteraka fizarazarana eo anivonareo, aorian’ny fampitandremana indray na indroa, 11ary fantaro fa ny olona ohatr’izany dia niala tamin’ny lalana marina ary manota sy manameloka ny tenany.

12Rehefa naniraka an’i Artema na Tykiko any aminareo aho, dia faingàna ary mankanesa any amiko any Nikopolia, izay nanapahako hevitra andaniana ny ririnina. 13Faingàna ary alefaso Zena, ilay mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hanan-java-mahory izy ireo.

14Ny olontsika dia tsy maintsy mianatra manao asa tsara izay ilaina maika mba tsy ahatonga azy ireo tsy hamokatra.

15Ireo rehetra miaraka amiko dia manao veloma anareo. Manaova veloma ireo izay tia antsika amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.

Copyright information for PltULB